<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Na be no mahareraka,
 Tsy mety kivy ny mino ;
 Ny Tsitoha no heriny
 Ny lehibe no tohany.

[V3]
 Ny hani-mandrakariva
 Mofo avy an-danitra
 Ny sotroin'isan'andro
 Dia rano mahavelona.

[V4]
 Manda afo no arony
 Finoana no ampingany,
 Vavaka no fofon'ainy,
 Odiaina no tànany.

[V5]
 Ho lavorary ny diany,
 Ho resy ny fahavalony,
 Dia sitraka no hitany,
 Voninahitra no azony.

[V6]
 Mahereza ilay malala,
 Aza ketraka hanompo,
 Lasa ny Mpitari-dàlana,
 Hanamboatra ho anao.</lyrics>
<title>Na be no mahareraka FFPM431</title>
<hymn_number>431</hymn_number>
</song>